ANTENIMIERA AM-PANAHY (#9402)

O Ianao Tompo be fitiavana! Ireto ny mpanomponao izay mivory eto amin’ity Antenimiera ity, mitodika eny amin’ny Fanjakanao ary mikatsaka mafy tokoa ny Tsodranonao sy ny Fitahianao.
O Ianao Andriamanitra! Asehoy sy ampiharihario ny famantarana ny Firaisanao izay napetraka tao amin’ny maha-fiainana ny fiainana. Asehoy sy avoahy ireo hatsarana izay miafina ao amin’ny maha-olombelona ny olombelona rehetra.
Ry Andriamanitro ô! Zavamaniry izahay ary ny Fanomezanao dia toy ny orana. Velombelomy sy ampitomboy ireo zavamaniry ireo avy amin’ny alalan’ny  Fahasoavanao. Mpanomponao izahay, manafaha anay amin’ny fatoran’ny zavatra ara-materialy. Tsy manam-pahalalana izahay, omeo fahendrena. Maty izahay, velomy. Ara-materialy izahay, arotsahy aminay ny fanahy.  Mijaly izahay, ataovy namana akaikin’ny Misiterinao. Sahirana izahay, tahio izahay ary omeo avy amin’ny  Harenao tsy manam-petra. 
Ry Andriamanitro! Atsangano izahay, omeo fahitana izahay, omeo fihainoana. Zaro amin’ny zava-miafin’ny fiainana izahay, ka ny zava-miafin’ny Fanjakanao dia ambara aminay ato amin’ity tontolon’ny fisiana ity ary ahazoanay manaiky ny maha-Iray Anao. Avy Aminao ny Fanomezana rehetra, Aminao ny Tsodrano rehetra.
Ianao Ilay Matanjaka! Ianao Ilay Mahery! Ianao Ilay Mpanome ary Ianao ilay  Malala-tanana mandrakizay.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

ANTENIMIERA AM-PANAHY (#9403)

Raha miditra ao amin’ny efitrano filan-kevitra ianareo, manaova ity vavaka ity amin’ny fo midoboka ny fitiavana an’Andriamanitra, ny lela voadio amin’ny zavatra rehetra afatsy ny fahatsiarovana Azy, mba hanampian’Ilay Tompo Mahery anareo  am-pitiavana hahazo ny fandresena tampony.
------------------------------
Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro! 
Mpanomponao izahay ary mitodika am-panoloran-tena eny amin’ny Endrikao Masina, mihataka amin’izay rehetra tsy Ianao amin’ity Andro be voninahitra ity. Mivory eto amin’ity Antenimiera Am-panahy ity izahay, miray fijery sy eritreritra miaraka amin’ny fikasàna mirindra mba hankalaza ny Teninao eo amin’ny zanak’olombelona.
Ry Tompo ô! Andriamanitray ô! Ataovy ho famantarana ny Fitarihan-danitrao izahay, ho Fenitry ny Finoanao mendrika eo amin’ny olona, mpanompon’ny Fanekenao Mahery, o Ianao Tomponay Ilay Avo Indrindra, fanehoana ny Firaisan-danitrao ao amin’ny Fanjakan’i Abhá, ary kintana mazava izay mamirapiratra eran’ny tany rehetra. 
Ry Tompo! Ampio izahay ho tonga ranomasimbe manonja amin’ny alon-dranon’ny Fahasoavanao mahatalanjona, ho riaka mikoriana avy any amin’ny Haavo Be Voninahitra, ho voankazo voafantina eo amin’ny Hazon’ny Fototrao avy any an-danitra, ho hazo mitopatopa noho ny tsioka malefaky ny Fangorahanao, ao amin’ny Tanimboalobokao ao an-danitra.
Ry Andriamanitra ô! Aoka ny fanahinay hiankina amin’ny Andalan-tsoratry ny Firaisan-danitrao, ny fonay ho dibo-kafaliana amin’ny tosaky ny Fahasoavanao, ka mba hiray izahay toy ny onjan-dranomasina ary hivondrona ho lasa tara-pahazavan’ny Fahazavanao mamirapiratra; ka ny fisainanay, ny fijerinay sy ny fientanam-ponay ho tonga zava-misy iray, mampiseho ny firaisam-panahy manerana izao tontolo izao.
Ianao Ilay Mpamindra fo, Ilay Mpanasoa, Ilay Mpanome, Ilay Tsitoha, Ilay be indrafo, Ilay Mpangoraka.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

